| Texte complet | 12   Ataotaovy aho rey olona, fa mavesatra ny anjarako, He ! malama anie ity lalako ka tsy misy hamaharako !
 Kotsan'ny fitiavana aho ... kotsakotsa mahonena !
 Ho dify ihany ilay malala ... toa dia vatranao jerena.
 
 13   Ataotaovy aho ray olona, sao dia raraka tsy fidiny
 Ny fitia nisahiranako ka dia hahitako ngidiny !
 ny felan'ny tatamo ve hahatondrako rano mody ?
 ny hetahetako avy eto dia tsy hisy fanafody !
 
 14   Ataotaovy aho ray olona, tokana 'ty siny ity ...
 Raha montsamontsana eto, ho entiko aiza ny fitia,
 Mitondra tanam-polo, mangaina sy mangaihay !
 
 15   Ataotaovy aho ray olona, sao tsy tratrako ity havako !
 Mahazo an-kodimirana izy ka manahy ny fitiavako
 sao tsy hahatratra azy ! He 'ty elanelanay !
 
 
 |