|
|
|
|

Teny iditra (1/5)1  fisoronana
Fototeny  2 sorona
Sokajin-teny  3  anarana
Fanazavàna teny malagasy  4 Fanafenana na tsy filazana amin' ny olona izay kilema ananany, nefa tsy hitany, na izay zavatra hita fa tsy mety ataony, na mikasika azy izany na mikasika ny havany: Ny Ntaolo ihany dia efa nampitandrina antsika ny amin' ny fisoronam-bady ao an-trano [1.1]

Teny iditra (2/5)5  fisoronana
Fototeny  6 sorona
Sokajin-teny  7  anarana
Fanazavàna teny malagasy  8 Fikarakarana ny firehetan' ny afo amin' ny fandrosoana kitay ao am-patana: Nataon' ny Ntaolo ohatra ny fisoronana afon' Ikala adala: ny aloha tsy lany, hoy izy, nefa ny aoriana asesika ihany [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  9 l'action d'attiser le feu, l'instrument [1.3]
Ohatra  10  Tsy manavao rahateo ny fisoronana afo koa dia misosa ho lelafo mivaivay ny ravim-pary maina atosi-tananasy rotsa-kazo. [2.470]

Teny iditra (3/5)11  fisoronana
Fototeny  12 sorona
Sokajin-teny  13  anarana
Fanazavàna teny malagasy  [fisoroñana] 14 fivavahana, fanoloran-tsorona (toerana) [Tambahoaka] [1.78]
15 Fanaovana sorona:Fisoronana zanak'ondry no natao tamin'ny fetin'ny Paka tamin'ny Testamenta taloha. [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  16 l'action d'offrir un sacrifice, l'autel, l'instrument, le lieu, le motif [1.3]
Ohatra  17  Dia ho azy ireo, amin' ny lalàna mandrakizay ny fisoronana; [2.996#02.029.009]
18  Ny fombam-pivavahana sy ny fisoronana no ankalazainy indrindra [1.38]
Lahatsoratra  19 Randzavola: fisoronana ao amin' ny Baiboly

Teny iditra (4/5)20  fisoroñana
Sokajin-teny  21  anarana
Fanazavàna teny malagasy  22 tsangambaton-tsampy [Tambahoaka] [1.78]

Teny iditra (5/5)23  Fisoronana
Sokajin-teny  24  anaran-tsamirery (ara-baiboly) [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  25 (fanafohezana Fisor) na hoe Levitika = Izany no iantsoana azy, satria izy no mirakitra ny Lalàna mifehy ny fomban-pivavahana sy ny andraikitry ny mpisorona ary ny Levita [2.611]
Voambolana  26  Soratra Masina
Tovy hevitra  27 levitika, levitika, levitika, levitikosy, levitikosy, levitikosy
Lahatsoratra  28 Randzavola: Fisoronana => Fanatitra sy Mpisorana

Fivaditsoratra  fisoronana, fisoroñana, Fisoronana

Nohavaozina tamin' ny 2025/12/13