| Explications en malgache | 4   Mamoaka feo mafy tampoka mirefotra (vato, vanja, basy, tafondro): Nipoaka ny tafondro ka nihovotrovotra ny trano Vaky miparitaka tampoka: Nipoaha ny fitaratra voan' ny vato
 (masoandro na ny andro) Miposaka, na amin' ny maraina na rehefa avy nandalo tao anaty rahona: Efa mipoaka ny andro ka andeha hanahy ny vary
 Mivoaka miseho hita ety ivelany, mirofotra: Tsy mbola nipoaka ny kitrotron' ny zanany
 Miseho miharihary, vaky: Nipoaka ny tetiky ry zareo ka henatra foana no hitany
 Nipoako ny ady lehibe no teraka ny zandriko
 Misy bontsina miseho, miempaka: Nipoaka ny tanako tamin' ny asa angady omaly sy afakomaly
 Mihamahia: Nipoaka Rakoto hatramin' izay naharariany izay [1.1]
 5   miposaka (masoandro) [Sihanaka]
 [1.78]
 
 |