Ireo kintana telo mamirapiratra tsara ireo no voalazan' i Joba
(9. 9 ; 38. 31) sy Amosa (5. 8) amin' ny teny
hebreo hoe Chesil (gr. Orion). Koa satria isan' ny kintana miseho miharihary izy,
dia voalaza, miaraka amin' i Ikotokelymiadilaona sy ny kintana sasany, ho famantarana
ny herin' i Jehovah, Izay nametraka azy
eny amin' ny lanitra. Ny mpanoratra sasany
anefa mihevitra fa kintana hafa, tahaka ilay
mazava sy mamirapiratra fatratra atao hoe
Siritis, na Canopus, na Cor-Scorpionis, no
voalazan' ny teny hebreo hoe Chesil. Asa
izay tena marina amin' izany. [1.38]
|