|
|
|
|

Teny iditra1  sahirana
Sokajin-teny  2  mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  3 Be raharaha vonjena atsy sy arỳ: Sahirana aho anio ka tsy afaka handray olona / Sahirana be ihany ry zareo ato avaratra fa manana vahiny betsaka
4 Be ahiahy, manahy, sanganehana, valsa: Sahiran-tsaina aoka izany izy amin' ilay ady lova tsy mety vita
5 Sosotra, sorena: Sahirana ny anao fa tsy afa-panadinana
6 Tsy manam-bola, ao anatin' ny tsy fisiana, haporetana: Sahirana mafy Rakoto mianadahy avy hatramin' ny nahafatesan-drainy
7 Mahatsiaro fahasarotana: Sahirana erỳ izy rehefa mandeha noho ilay vay ao amin' ny feny [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  8 bothered, worried, perplexed; poor, in difficulty [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  9 ennuyé [1.3, 1.8]
10 affairé, embarrassé, occupé, préoccupé, qui a du souci, vexé [1.3]
11 perplexe; dans l'embarras; pauvre, qui manque d'argent [1.8]
Ohatra  12  Tsy ho sahirana rahateo koa izy noho ny fahalehibeazan' ny ankizy [2.470]
13  sahirana be ihany aho, fa manam-bahiny (Je suis très embarrassé, très occupé, parce que j'ai un hôte à traiter) [1.3]
14  sahirana loatra aho amin’ ity ady ity (Je suis très embarrassé, très préoccupé à cause de ce procès) [1.3]
15  sahirana aho, satria tsy lafo ny ombiko (Je suis ennuyé, vexé de ce que mon bœuf n’a pas été vendu) [1.3]
Haiendriteny 
16  Tsotra :
Sampanteny 
Matoantenin' ny mpanao :
Matoantenin' ny iharana :
Matoantenin' ny fameno :
Anarana :
Mpamaritra :
Mpanahaka  32  beraharaha, 33  jambena, 34  mahantra, 35  maroherehina, 36  marosahanina, 37  mihenikenika, 38  miheninkenina, 39  miheninkenina, 40  mipenimpenina, 41  mipenimpenina, 42  poribola, 43  poritra, 44  sahirankirana, 45  tery, 46  tominjana
Kamban-teny rehetra  47  Fikambanana 2 amin' io teny io
Ohabolana  48  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  sahirana, 49 sarahina, 50 sarihana

Nohavaozina tamin' ny 2025/12/08