| Explications en malgache | 3   Atao mba hampitohy fehezan-kevitra roa ka ny faharoa: a) milaza zavatra atahorana na ahina: Matahotra aho sao maninomaninona i zoky any lavitra any ~ Manahy izy sao nisy mpangalatra tafiditra tao antranony
 b) na milaza zavatra kendrena tsy ho tanteraka, mitovy hevitra amin' ny "mba tsy": Niova akanjo izy sao fantatry ny ao an-tanana
 Azo ampiasaina tsy hampitohy fehezan-kevitra roa miharihary koa anefa ny "sao", fa manomboka fehezanteny ka mety ho ilay (b) etsy ambony ihany izy amin' izay fa mifamadi-toerana fotsiny: Sao tratran' ny fahavalo eto isika, fa andeha handositra, na koa enti-milaza fampitandremana: Sao heverinao ho tsy mahalala ny toetranao aho, na faminavinana; Sao mbola mba mahita ihany ny masonao fa tsaboy tsara [1.1]
 
 |