|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/2) | 1 telonohorefy |
| Singan-teny | 2 telo, 3 refy |
| Sokajin-teny | 4 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
5 Ireo kintana telo mamirapiratra tsara ireo no voalazan' i Joba (9. 9 ; 38. 31) sy Amosa (5. 8) amin' ny teny hebreo hoe Chesil (gr. Orion). Koa satria isan' ny kintana miseho miharihary izy, dia voalaza, miaraka amin' i Ikotokelymiadilaona sy ny kintana sasany, ho famantarana ny herin' i Jehovah, Izay nametraka azy eny amin' ny lanitra. Ny mpanoratra sasany anefa mihevitra fa kintana hafa, tahaka ilay mazava sy mamirapiratra fatratra atao hoe Siritis, na Canopus, na Cor-Scorpionis, no voalazan' ny teny hebreo hoe Chesil. Asa izay tena marina amin' izany.
[1.38] 6 antokon-kintana telo avarabaratra andrefan'ny Vahindanitra, mamiratra manintona ny fijery [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
7 the three stars of the belt of Orion
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
8 les trois étoiles du baudrier d'Orion
[1.3#693] 9 les trois étoiles de la ceinture d'Orion [1.8] |
| Ohatra |
10 Mahavona ny kofehin'ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny telonohorefy?
[2.996]
11 ary ny orimbintana amy ny lanitra, sy ny masoandro, sy ny volana, sy ny kintana telonohorefy, sy ny sasany; [2.48] |
| Voambolana | 12 Haikintana |
| Mpanahaka | 13 miadilaona |
| Ohabolana | 14 Ohabolana misy io teny io |
| Teny nalaina | 15 Soratra misy io teny io |
| Teny iditra (2/2) | 16 telonohorefy |
| Sokajin-teny | 17 anarana |
| Fanazavàna teny anglisy |
18 the greatest
[1.7] |
| Fanazavàna teny frantsay |
19 chose ou personne grande, éminente
[1.8] |
| Ohatra |
20 Misy 70 mahery ireo olona nahitany hevitra ary vitany lisitra ny anarany. Ny ankamaroany amin' ireo dia ny telonohorefy.
[2.304#D]
|
| Nohavaozina tamin' ny 2025/12/08 |
|