Entrée | 1 Teo amin' ny valsa |
Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Mots élémentaires | 3 teo, amy, valsa |
Vocabulaire | 4 Littérature: poèmes |
Auteur |
5 Razakandraina Jean Verdi Salomon |
Texte complet |
6 Moa ianao tsy teo an-tratrako, ary efa sambatra aho 7 Namolivoly ny takolako teo an-daingon-tavanao 8 Ary azoko natao ny nioty anao an-taho 9 Ry Voninkazo fanaperana, eny azoko natao. 10 Eny azoko natao, tsy ho nandà ianao 11 Efa niaraka nihovitra ny fanahy mifankatia 12 Nefa tsy nioty aho ny itiavako anao 13 Dia ny hanitrao tsy fantatro, no nofisiko doria, 14 Fa ny hanitrao tsy fantatro, ao anatin’ny vinaniko 15 Dia nivoatra hifandrindra amin’ny nofinofy mamiko 16 Ao aho, mianoka ao, mianoka ao doria, doria. 17 Tsy nioty aho, ary tsy hioty anao 18 Aoka ho zava-miafina amiko, izay rehetra aminao 19 Ndrao hanony ny hetahetako, ny hetahetako fitia. |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |