|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 vaninteny |
| Singan-teny | 2 vany, 3 teny |
| Sokajin-teny | 4 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
5 tarehintsoratra tokana na maro izay tononina indray miaraka, na hoe feo iray tanteraka. Ohatra: mi-hi-na-na, sa-ka-fo, i-si-ka
6 Misy teny sasany vaninteny iray monja. Ohatra: mba, ho, ra. 7 Misy vaninteny roa. Ohatra: kibo, vary, hena. 8 Misy vaninteny telo, efatra ary mihoatra an' izany aza. Ohatra: me-na-ka, ka-ra-za-na, a-sa-li-sa-ly. 9 Ny zanatsoratra roa mifanarakaraka dia mety hikambana ho feo iray ka vaninteny tokana ihany, na samy mitana ny feony avy ka vaninteny roa. Ohatra: tsi-nay, a-i-lika, ha-ndroi-na, fo-i-zi-na, tao-la-na, a-o-la-na. 10 Raha mampisaraka ny vaninteny ao amin' ny teny iray, dia ampiarahina mandrakariva ireo renisoratra roa mifampibaby fa tsy sarahina. Ohatra: mo-mba, ha-tra-ny, na-ha-ndro. [1.146#15] 11 fitambaran'ny feo tononina miaraka [1.13] |
| Fanazavàna teny frantsay |
12 syllabe
[1.13] |
| Voambolana | 13 Haiteny |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/12/08 |
|