|
|
|
|

Entrée (1/2)1  alatsinainy
Partie du discours  2  nom
Explications en malgache  3  [1.10] (Arabo El-ithinin na El-itzinani: faharoa). (T) sasany: Alatsineiny, Tsinainy; (Sakalava): Alatinainy, na Tinainy.

-- Andro fahadimy tamin'ny ntaolo. Andro mafy, andro mainty -- ankevitry ny misy fillaovan-teny, ara-bakiteny koa: "miala tsinainy; manala tsinay". Fadin'ny ntaolo ny mandefa tafika Alatsinainy, fa andro mahamafy ny ady sy ny fandravana, fanalàm-bohitra, hoy izy; torak'izany: tsy misanta-draharaha, na manombnoka asa -- misy aza, mandrak'ankehitriny, mpiasa dia mahavatra tsy miseho mihitsy nony Alatsinainy.

Ny zavatra hamafina, amboarina, kosa, amin'ny trano, na ny tokantrano, ny raharaham-piainana, toy ny fihavanana simba, dia fanaon'ny sasany amin'ny Alatsinainy.

Nataon'ny ntaolo andro fandevenana ny Alatsinainy -- naman'ny Alarobia sy Zoma -- noho izy andro mafy, andro mainty, ka sady mitana mafy ny velona, no mainty mifanentana amin'ny fahafatesana.

Raha ohatra ka Alatsinainy no tsinana ny Adaoro, dia tsy fanao ny mamono zavatra afa-tsy mavo amin'io andro io.

Ny zaza teraka Alatsinainy dia Ramiera, na Andriamiera, no ataon'ny ntaolo sasany anarany; ary tsy mihety na manala hoho Alatsinainy.
4  [1.1] andro faharoa amin'ny herinandro. Araka ny fanandroan'ny Ntaolo, ny alatsinainy dia andro mafy, andro mainty ka tsy nisantarana na inona na inona; ny mandevina sy ny manamboatra ary manamafy zavatra no fanao alatsinainy.

Explications en anglais  5  [1.2] Monday. [Ar. al-itzna'ni - Second.]
6  [1.7] Monday.
Explications en français  7  [1.3, 1.8] le lundi.
8  [1.5] lundi.
9  [1.6] [Tanala] lundi [ar.: itnani, deux, al-itnain, lundi]
Explications en italien  10  [1.18] lunedi
Explications en allemand  11  [1.56] Montag. Es gab bei Arbeitsunfällen am Montag in Frankfurt zwei Schwerverltzte. Amin'ny alatsinainy, faha...: am Montag dem/den...
Exemples  12  [2.470] Harivarivan' ny alatsinainy, fiandohan' ny herinandro tamin' izay.
13  [2.472] Ny alatsinainy taorianan' iny, tezitra nisafoaka Ramose.
Vocabulaire  14  Temps
Mots composés 
Toponymes 
Hypéronyme 
Co-hyponymes 
Tableaux et planches  27  Mesure du temps

Entrée (2/2)28  Alatsinainy
Partie du discours  29  nom propre (toponyme) [Liste complète]
Explications en malgache  30  [1.1] anaran'ny tanàna anaovana tsena amin'io andro io.
Explications en anglais  31  [1.2] the place of holding Monday's market.
Explications en français  32  [1.3] noms des marchés tenus le lundi et de leur emplacement.
33  [1.5] marché du lundi.
Vocabulaire  34  Géographie: agglomérations
Mots élémentaires  35  alatsinainy

Anagrammes  36  alatsinainy, Alatsinainy, anasitilian, atsilaninay, nanasitilia

Mis à jour le 2025/04/28