|
|
|
|

Entrée1  Andriamatoa
Partie du discours  2  nom
Explications en malgache  3  [1.1] Anaram-panajana iantsoana ny lahimatoa ao amin' ny ankohonana: Andeha antsoy kely hankatỳ Andriamatoa, hoy i dada tamin-dRandriamparany
Teny fanajana fanao eo alohan' ny anaran-dehilahy hajaina izay resahina: Tonganamangy anay omaly andriamatoa Rabevokatra. (Tsara homarihina fa mitovy lanja amin' ny Ingahy izy eto saingy ny fampiasana azy tany an-tendrony no samy hafa fa Andriamatoa no natao raha andriandahy ilay olona notenenina ary Ingahy raha hovalahy: Andriamatoa Ramahatra, Ingahy Rainilaiarivony)
Teny fanajana fanao eo alohan' ny anaram-boninahitra entin' ny lehilahy anankiray raha miresaka aminy na miteny azy: Andriamatoa Minisitra, voninahitra ho anay ny mandray anao eto amin' ny tanànanay. Dia naka toerana teo ambony lampihazo Andriamatoa ben' ny tanàna
Explications en anglais  4  [1.2] [matoa, the firstborn.] The name of the eldest male in a family; a title of respect.
5  [1.7] Mister
Explications en français  6  [1.8] Monsieur
Vocabulaire  7  Etiquette
Mots élémentaires  8  andriana, toa
Antonymes  9  ramatoa
Analogues  10  atoa, ingahy
Titres  11  Andriamatoa Ratsilefilaza (Ravalison Edmond)
12  Tantaran' Andriamatoa Philibert Tsiranana : prezidan' ny repoblika malagasy voalohany
Proverbes  13  Proverbes contenant le mot Andriamatoa

Mis à jour le 2025/04/28