|
|
| | | | |
|
| Fizahan-teny |
| ||||||||||||||||||||
| Ohabolana misy ny teny hoe : amparasily | |||||||||||||||||||||
| Ohabolana 1 | Mainka izany raha amparasily, ravin-katsaka aza mikasaoka! [2.558 #1897]
Mainka izany raha parasily, ravin-katsaka aza mikasoka. [1.1] | ||||||||||||||||||||
| Fanazavana malagasy | Enti-milaza ny olona be hambo aoka izany ka zavatra tsinontsinona iny dia efa mampibontsina azy izaitsizy. [1.1]
Enti-milaza ny olona matin-kambo be loatra; zavatra kely iny dia mampibontsina azy izaitsizy, hanao ahoana izany raha zavatra lehibebe kokoa no sendra azy? [1.1] Enti-milaza olona be hambo amin' ny zavatra madinika. [1.1] Fiteny enti-maneso ireo be hambohambo foana amin' ny zavatra tsinontsinona. [1.1] | ||||||||||||||||||||
| Fizahan-teny |
| ||||||||||||||||||||
|
|