| Entrée | 1 Feo mahery | 
| Mots élémentaires | 2 feo, 3 mahery | 
| Partie du discours | 4 nom propre (titre de poème) [Liste complète] | 
| Vocabulaire | 5 Littérature: poèmes | 
| Auteur | 6  Razakandraina Jean Verdi Salomon | 
| Texte complet | 7   Ry fanahy mitanondrika, ry fanahy mahonena, 8 Fantatrao fa tsy eto no toerana doria ... 9 Fa ny aina dia nindramina, ka ho vovoka ny tena ! 10 Kanefa aza very toky, matokia! 11 Ny malalanao anie, raha lasa, mialoha, 12 Fa tsy hoe afoy tanteraka: any hihaonanao aminy! 13 Ny nofo ihany no an'ny tany, hody tany ka ho lo; 14 Ny fanahy kosa tsy eto fa any an-danitra no taniny … 15 Tsy ny fahafatesana eto no atao ho fahavoazana ... 16 Fa ny diso lalam-piainana no ho diso tanindrazana 17 Tsy hihaona amin'ireo malala efa mialoha. 18 Mangidy moa ny fisarahana ka tsy maintsy alahelovana! 19 Ny nofo anefa no afoy fa ho tratram-pahalovana! 20 Miandrandrà fa aza miondrika amin'ity nofo ho lo! | 
| Mis à jour le 2025/09/13 |   |