|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1 tany
Sokajin-teny  2 anarana
Fanazavàna teny malagasy  3 Antontan-javatra boribory mimaona eny amin' ny habakabaka, onenan' ny olombelona, izay sady mihodinkodina eo am-pitoerana ohatra ny tandrimo mandritra ny indray andro sy indray alina no manodidina ny masoandro mandritra ny dimy amby enimpolo sy telonjato andro: Andriamanitra no nahary ny lanitra sy ny tany, hoy ny baiboly
Vovobovoka mena matroka izay toy ny nofon' io antontan-javatra voalaza etsy ambony ka anirian' ny zavamaniry: Mahavokatra ny fambolena ny tany lonaka
Tanety (mifanohitra amin' ny ranomasina): Intelo ohatra ny tany ny ranomasina
Faritany: Madagasikara dia anisan' ny tany mafana
Saha fananana: Itsy atsimo itsy no taninay, fa ity an-dry Ranaivo
Ny olona miara-mipetraka amin' ny faritany iray: Samy manana ny fomba amam-panaony ny tany rehetra [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  4 earth, soil, land; a country, a nation [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  5 terre, sol; pays, nation [1.8]
6 terre, sol, terrain [1.13]
Voambolana  7 Haitoetany: (amin' ny ankapobeny)
Mpanahaka  8 tanimanga, 9 tanimangampoza, 10 taniravo
Kamban-teny rehetra  11Fikambanana 281 amin' io teny io
Ohabolana  12 Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/4)13 tany
Singan-teny  14t~, 15any
Sokajin-teny  16 ny lasan' ny tambinteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  17 Milaza toerana naleha na nisy ny tena: Tany an-tsena aho aninaraina [1.1]
Ohatra  18 na tany aho na tsy tany
tsy ho kely be nenina moa hianao?
[2.131]
Kamban-teny rehetra  19tany an-tendrony

Teny iditra (3/4)20 tany
Sokajin-teny  21 tambinteny [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  22 Tany fanafohezana ny hoe: "Tahiny": Raha tany mandalo any amin-dry dada ianao, ampamangio azy any aho [1.1]

Teny iditra (4/4)23 tany
Sokajin-teny  24 anarana
Fanazavàna teny malagasy  25 [tañy] tomany, fitomany, fitomaniana [Bara] [1.78]
26 [tañy] ranomaso, tomany [Sihanaka] [1.78]
27 [tañy] tany, fitomaniana [Tanala] [1.78]
28 ilazana ny "tomany", sady fototeny niavian' io teny io rahateo (tamin' ny alalan' ny tsofoka om: / - om / any), saingy tsy fampiasa afa-tsy amin' ny fombam-pitenenana sy ohabolana sasantsasany, toy ny hoe: toran-tany: mitomany mafy ka ohàtra ny torana mihitsy; kalon' antitra ka tany no farany: mazàna no miafara amin' ny tomany ny hirahiran' ny antitra noho ny fibosesehan' ny fahatsiarovana sy ny fihetseham-po tsaroany tamin' ny fiainany lasa [1.1]
Fanazavàna teny frantsay  29 les larmes, les pleurs, les gémissements
regret [1.3]
30 [tañy] pleur [Sakalava-Mayotte] [1.405]
Sampanteny 
Matoantenin' ny iharana :
Tovy hevitra  33tañe
Ohabolana  34 Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  35 anty, 36 ntia, 37 tany

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02