| Texte complet | 12   Tafatoetra ao am-poko miaraka aminao androany, 13   Ny hasambara-nokatsahiko hiononako eto an-tany!
 14   Ny hatsaran-tarehy nohiraiko sy ny bika nokatsahiko
 15   Tsy alaiko noho izay hitako aminao navahiko …
 
 16   Sodokan’eritreritra aho izay elabe izay …
 17   Hetahetan’ny tanteraka, afo mampiolomay
 18   No nandoro ny fisainako! ‘zay nenjehiko kanefa
 19   Moa tsy volavolam-bika tsy haharitra rehefa?
 
 20   Fa ny hitako aminao dia ny vatosoa miafina;
 21   Perla mamirapiratra, satry foana hotarafina
 22   Fa mampita hazavana mampionona fanahy …
 
 23   Tia ny endrikao aho, mamkamamy anao tanteraka;
 24   Nefa mbola ambony lavitra, manan-kery haninteraka
 25   Ny fanahy atolotrao hiara-tsambatra amin’ny ahy!
 
 |