| Entrée (1/2) | 1 tsikitsikinao | 
| Radical | 2 tsiky | 
| Partie du discours | 3 nom tsikitsiky et pronom | 
| Exemples | 4   Nisy tia nioty azy, ny tsikitsikinao dia lasany !
[1.291] | 
| Entrée (2/2) | 5 Tsikitsikinao | 
| Partie du discours | 6 nom propre (titre de poème) [Liste complète] | 
| Vocabulaire | 7 Littérature: poèmes | 
| Auteur | 8  Razakandraina Jean Verdi Salomon | 
| Texte complet | 9   Angamba tsikitsiky ho azy nalefanao tsy iniana… 10 Tsy takatrao ny halehibeny, tsy nampoizinao ny asany… 11 Voninkazo iny anefa, voninkazom-pifaliana… 12 Nisy tia nioty azy, ny tsikitsikinao dia lasany ! 13 Dia lasany any aminy, nentiny any am-patoriana, 14 Nanofisany fitia, nanofisany hasambarana, 15 Nikaloan’ny fanahiny tsantatsantam-paniriana, 16 Nametrahany ny fony, nantenainy hifaharana ! 17 Hisy angamba amin’ireny sahy hamboraka aminao 18 Ny fitiavana ao am-pony, nateraky ny tsikinao 19 Ka hivoady fa ianao no ho tokana hany tiany ! 20 Hisy kosa any hangina, hitahiry ao anatiny 21 Ny fitia vokatr’iny mba ho raki-mandra-matiny, 22 Nofy anao enjehin-dava no ho sisa fifaliany ! | 
| Anagrammes | 23 tsikitsikinao, Tsikitsikinao | 
| Mis à jour le 2025/10/18 |   |