| Entrée | 1 elefanta | 
| Partie du discours | 2 nom | 
| Explications en malgache | 3   Biby makadiry indrindra amin' ny biby an-tanety, milanja hatramin' ny 5 taonina. (Ny elefanta izay tsy fahita afa-tsy any Afrika sy any Azia dia manan-koditra matevina; ny nifiny anoloana ambony dia miranirany lava lehibe ataony fiarovan-tena ary nomena anarana hoe vangin' elefanta; ny molony ambony kosa lava mitarozaka ka ampiasainy ho organa fandraisan-javatra; mety ho velona mandritra ny 100 taona ny elefanta) [1.1] | 
| Explications en français | 4   éléphant [1.3] | 
| Exemples | 5   Tsy mba tongotr' elefanta ohatra ny fiteny intsony izany;
[2.4] 6 Ny rambony kosa dia fohy noho ny an' ny elefanta any Asia. [1.38] 7 Ny elefanta no ampiasain-dry zareo Indianina hoenti-mamakivaky ireny ala ireny. [2.117] 8 Izy no nitondra ilay sampy vato mitarehina elefanta ary atao hoe Vatolambo, izay mbola ao Ambohitsara mandraka androany. [2.508] | 
| Vocabulaire | 9 Zoologie: mammifères | 
| Synonymes | 10 trepo | 
| Mis à jour le 2025/09/12 |   |