| Fanazavàna teny malagasy |
5 Any efitrano iray, mitokantokana irery Efitrano teritery toa tsy maha-te hijery Efitrano iray mangina, efitrano mahonena Nefa kosa efitrano tena fandinihan-tena Misamonomonona ao, hirahira hafakely Ataon'ny voronkely maro, nefa kosa tsy tantely O! Ny fanaka tsy misy, toko roa no ijoroana Tena efitrano tsotra, eo an-dàlam-pandrosoana Irony hanitry ny làsana? Ao no tena hiely fatratra Ny taolam-balon'ny fahiny, indreny hita hiampatrampatra Nefa, misikina hery, dia hidio ny varavarana Sao dia hisy any ho any, olona manarangarana Eny an-tànanao tsinjovy,fa gazety no vimbinina Aforiporitra hafahafa, toa fiazina, fihinina Mba hamantaranao kokoa ny fiantombohan'ny tantara sy ny zavatra hatao, hatreo dia raiso ny sigara Tsy maintsy miditra ao ianao, indray mandeha raha kely indrindra Amin'ny andro anankiray, amin'izay ianao mamindra Toy ny olo-maimaika te hahita fiadanana Fa ny toerana eo ivelany eo, tsy ho azonao ho namana Satria handini-tena ianao, dia herezo re ny saina Izay mangejangeja anao, ô esory sombinaina Mivonona mba hiady; Ary aza mba mitsoaka, na ho basy no hitefoka, na tafondro no hipoaka Miovaova ny eto an-tany, misy andro maha-mirana Fa ity indray mandeha ity, feno zava-manahirana Ary rehefa injay manery, ilay fotoana be ankaso Ireo tsy mahatanty "saoka" dia mandrotsa-dranomaso Mm Injay misento tokana ianao, miheritreritra ny lasana Raha mijery ity efitrano toa mi-tokontanim-pasana Dia tsarovana avokoa izay rehetra niaremana Ny goavy sy sakay, eo vao samy hanenenana Vita izay, ô tsaroana afaka entana ka faly Injay fa maivana ny tena, afaka ota, afa-jaly Ilay gazety, indro ariana, vita mantsy ny adidiny Ny fehikibo indro alaina, mba haverina amin'ny hidiny Dimy minitra monja izay, nefa dimy minitra lafo Azoazo moramora tao ambanin'ity tafo Raha toa tsy fantatrao izay voalazako androany Rahampitso vao maraina dia ho fantatrao izany
[2.978]
|