| Explications en malgache | 4   Manolotra zavatra ho an' olona ka mametraka izany eo anoloany: Mandroso vary ho an' ny vahiny Manatona akaikikaiky kokoa: Mandrosoa fa aza mijajirika eo am-baravarana eo fotsiny
 Mitombo fahaizana: Mandroso tsara ny zanakao
 Mandeha tsara ka ahazoam-bola betsaka na misy tombony betsaka, mahomby: Mandroso ny fitaterana ankehitriny
 Lasa aloha fa tsy amin' ny toerana misy azy ihany: Nandroso haingana ny tafika
 Lasa nihoatra nankany amin' ny...; mitsopaka, manaoangady be lela: Mandroso lavitra dia tavitra anatin' ny ranomasina ny morontsiraka amin' itý toerana itý ~ Mandroso be loatra amin' ny taniko izany asanao izany
 Misondrotra, misandratra: Tsy nandroso voninahitra intsony ilay manamboninahitra [1.1]
 
 |