|
|
|
|

Entrée (1/6)1  manina
Partie du discours  2  verbe actif
Radical  3  hanina
Explications en malgache  4  [1.1] Mahatsiaro ny any lavitra ka malahelo te hahita, manembona: Manina ny any aminay aho izany
Explications en anglais  5  [1.7] to long for, to regret; (instead of the passive verb, use mahamanina)
Explications en français  6  [1.8] regretter, soupirer après (au lieu du passif on emploie mahamanina)
Exemples  7  [2.470] manina ny tanindrazana aho izany!
8  [2.471] Mba finoana velona eo amin' ny mpiantsambo rehetra koa fa izay efa nandia ny fiainan-dranomasina, tsy maintsy manina mandrakariva ny fidoboky ny onja.
Morphologie 
9  Présent :
10  Passé :
11  Futur :
12  Impératif :
Dérivés 
Verbes actifs :
Tous les mots composés 
Vocabulaire  18  Emotions
Proverbes  19  Proverbes contenant le mot manina

Entrée (2/6)20  manina
Partie du discours  21  verbe actif
Radical  22  ina
Explications en anglais  23  [1.2] to command, to direct, to govern, to conduct, to manage. Chiefly used in speaking of the affairs of the kingdom. [Provincial]
Morphologie 
24  Présent :
25  Passé :
26  Futur :
27  Impératif :

Entrée (3/6)28  manina
Partie du discours  29  verbe actif
Explications en malgache  30  [1.78] manendry [Bara]

Entrée (4/6)31  manìna
Partie du discours  32  impératif du verbe actif manina [Liste complète]
Radical  33  hanina
Explications en malgache  34  [1.1]

Entrée (5/6)35  maninà
Partie du discours  36  impératif du verbe actif manina [Liste complète]
Radical  37  ina
Explications en malgache  38  [1.1]

Entrée (6/6)39  Manina
Partie du discours  40  nom propre (titre d'histoire courte)
Mots élémentaires  41  manina
Vocabulaire  42  Littérature: histoire courte
Auteur 
43  Tselatra
Texte  44  - Veloma ihany, ry masoandro hilentika; masina, ry volana hisoka, fa ianareo no vaky andro tsinana alina ka mba hoperako hafatra amin-drahavana: lazao azy fa misento azy tsy hita aho ka manohoka aloka irery; ory havana hariva ka mivoady ny andro ho maraina. Laingo nosarahina aman-kazo aho, elatra nolaingosana amam-borona ka sady malazo no saraka amin'aina.

45  - Mitevy ala ny any atsinanana ka alin-kely manjepy ny aty andrefana: saron-javona antoandro ny any Ankaratra ka kamokamo tomefika ny aty Andringitra. Raha mahatsiaro ny any, misento mahalana ny aty. Sakanan-tany tsy hipaka mantsy, elanin'andro tsy hihaona, fa manindria fo tsy ho aiza, rahavako, fa andro maro no hananana ahy.


Anagrammes  46 mañany, manany, mañañy, manañy, 47 manìna, manina, maninà, Manina

Mis à jour le 2025/09/13