|
|
|
|

Teny iditra (1/2)1  milaza
Fototeny  2 laza
Sokajin-teny  3  matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  4 manambara hevitra na zava-miseho na baiko na hafatra amin' ny alalan-ny fitenenana; manambara, mitantara, mandidy, manafatra, miresaka, mampahafantatra, mampahalala, manome teny, manome baiko, amin-ny alalan-ny fitenenana. Indro izaho milaza teny soa mahafaly aminareo... [1.10]
5 mampahalala zavatra amin' ny alalan' ny teny na soratra: Hilaza zava-baovao mahatalanjona aminao aho
6 maneho ny hevitry ny tena: Nilaza izy fa ho tonga
7 mamoaka ampahibemaso: Nilaza ny lehiben' ny governemanta fa izay tratra mangalatra omby dia hofaizina mafy
8 mitory, manambara: Efa mahay mandainga Ikotokely; milaza izany fa efa vory saina ny adalalahy
9 mitantara: Latsa-dranomaso izy nilaza ny zava-nitranga tamin' ny 13 mey [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  10 to tell, to say, to inform; to report, to tell off, to refer to [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  11 dire [1.3, 1.5]
12 publier, annoncer, déclarer, signifier, narrer [1.3]
Ohatra  13  Ary tandremo sao mandositra à, milaza aho izany [2.470]
14  milaza ianao fa tia ahy, hoy izy nony ela [2.471]
15  Misy olona milaza fa ny asam-pambolena dia sahala amin' ny asa rehetra ihany [2.472]
Haiendriteny 
16  Ny ankehitriny :
17  Ny lasa :
18  Ny hoavy :
19  Filaza mandidy :
Mpanahaka  20  mamakyvolana, 21  mamboraka, 22  mamisavisa, 23  mamosaka, 24  manaboraka, 25  manaotsyliantsofina, 26  maneho, 27  mitanisa, 28  mitantara, 29  mitory, 30  miventy
Kamban-teny rehetra  31  Fikambanana 9 amin' io teny io
Ohabolana  32  Ohabolana misy io teny io

Teny iditra (2/2)33  mila
Fototeny  34 laza
Sokajin-teny  35  filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao milaza [Fitanisana]
Ohabolana  36  Ohabolana misy io teny io

Fivaditsoratra  milazà, milaza

Nohavaozina tamin' ny 2025/12/08