|
|
|
|

Teny iditra (1/4)1 momba
Sokajin-teny  2 mpampitohy [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  3 Ny amin' ny, mikasika ny...: Niresaka momba ny fitsapana hevibahoaka izahay [1.1]
Ohatra  4 Dia niresaka momba ny varotra sy ny vidin-javatra izy mivady. [2.470]
Kamban-teny rehetra  5Fikambanana 11 amin' io teny io

Teny iditra (2/4)6 momba
Sokajin-teny  7 mpamaritra
Fanazavàna teny malagasy  8 Tsy miteraka: Taloha nalain' ny fanjakana ny fananan' ny olona momba (ny biby raha tsy miteraka, tsy mba atao hoe momba fa bada) [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  9 barren (used of human beings) [1.7]
Fanazavàna teny frantsay  10 barren. Used of women [1.3]
11 stérile (se dit ses personnes) [1.8]
Kamban-teny rehetra  12maty momba

Teny iditra (3/4)13 momba
Fototeny  14omba
Sokajin-teny  15 matoantenin' ny mpanao
Fanazavàna teny malagasy  16 Manaraka, mihazo: Nomba irý lohasaha ambany atsimo irý izy
Miaraka, mandeha miaraka, manotrona: Intý ny lambamena homba ny maty ~ Nisy lehilahy telo nomba azy
Miandany, manampy: Moa momba ny tarik' i Rainisongomby ve ianao?
Mikasika: Miresaka momba ny fanampiana ireo tra-boina ny fokonolona [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  17 to follow, to accompany, to associate with, to take part with. [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  18 suivre, accompagner, aller ensemble, suivre une direction; se ranger du parti de quelqu'un, concerner, regarder: Misy miaramila maro momba azy (Il y a plusieurs soldats qui l'accompagnent) ~ Nomba tanety izy (Il est passé par terre) ~ Nomba io tendrom-bohitra io izy (Il a suivi cette montagne) ~ Momba ny mpikomy izy (Il s'est rangé du côté de rebelles) ~ Raharaha momba ny fianakaviako izany (C'est une affaire qui regarde ma famille) [1.3]
Haiendriteny 
19 Ny ankehitriny :
20 Ny lasa :
21 Ny hoavy :
22 Filaza mandidy :
Kamban-teny rehetra  23Fikambanana 2 amin' io teny io

Teny iditra (4/4)24 mom
Fototeny  25omba
Sokajin-teny  26 filaza mandidin' ny matoantenin' ny mpanao momba [Fitanisana]
Fanazavàna teny malagasy  27 [1.1]
Fanazavàna teny anglisy  28 [1.2]
Fanazavàna teny frantsay  29 [1.3]

Fivaditsoratra  30 mambo, 31 momba, mombà

Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02