|
|
| | | | |
|
| Teny iditra (1/2) | 1 rano mahery |
| Singan-teny | 2 rano, 3 mahery |
| Sokajin-teny | 4 kambanteny |
| Fanazavàna teny malagasy |
5 a) rano misasasasa mafy avy any amin' ny toerana ambony ka manimba izay sendra azy
6 rano maria, rano mena 7 hatezerana izaitsizy: Tsy fanao ny mitsena rano mahery 8 b) rano ampiasaina amin' ny famorana mba hanasana ny ferin-jaza; rehefa madiva ho maraina ny andro no alefa ny lehilahy matanjaka haka azy [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
9 Running water fetched hastily on the morning of performing circumcision for washing the wound
[1.2] |
| Fanazavàna teny frantsay |
10 (de rano : eau ; et mahery : forte). Sens traditionnel, ancien : eau consacrée qu'on allait puiser cérémonieusement pour la circoncision ;
[1.196] |
| Ohatra |
11 Rehefa miverina ny mpaka ranomahery dia miara-mifamalivaly hoe: "Zana-boromahery manatody am-bato.
[2.436#]
12 Ny mifehy voatavo dia fanomanana ny voatavo hitondrana ny ranomahery ilaina amin' ny famorana ny Zanakandriana. [2.508] |
| Teny iditra (2/2) | 13 ranomahery |
| Singan-teny | 14 rano, 15 mahery |
| Sokajin-teny | 16 anarana |
| Fanazavàna teny malagasy |
17 asidra
[Bezanozano]
[1.78] 18 Asidra mahery ampiasain' ny mpanefy haninginana [1.1] |
| Fanazavàna teny anglisy |
19 vitriol
[1.2] |
| Fanazavàna teny frantsay |
20 (de rano : eau ; et mahery : forte). Sens moderne, technologie : les acides, comme l'acide sulfurique, etc.
[1.196] |
| Voambolana | 21 Simia |
| Fivaditsoratra | ranomahery, rano mahery |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/12/08 |
|