| 
 | 
| | | |  | 
  | 
| Teny iditra (1/4) | 1 tany | 
| Sokajin-teny | 2 anarana | 
| Fanazavàna teny malagasy | 
3 Antontan-javatra boribory mimaona eny amin' ny habakabaka, onenan' ny olombelona, izay sady mihodinkodina eo am-pitoerana ohatra ny tandrimo mandritra ny indray andro sy indray alina no manodidina ny masoandro mandritra ny dimy amby enimpolo sy telonjato andro: Andriamanitra no nahary ny lanitra sy ny tany, hoy ny baiboly Vovobovoka mena matroka izay toy ny nofon' io antontan-javatra voalaza etsy ambony ka anirian' ny zavamaniry: Mahavokatra ny fambolena ny tany lonaka Tanety (mifanohitra amin' ny ranomasina): Intelo ohatra ny tany ny ranomasina Faritany: Madagasikara dia anisan' ny tany mafana Saha fananana: Itsy atsimo itsy no taninay, fa ity an-dry Ranaivo Ny olona miara-mipetraka amin' ny faritany iray: Samy manana ny fomba amam-panaony ny tany rehetra [1.1]  | 
| Fanazavàna teny anglisy | 
4 earth, soil, land; a country, a nation [1.7] | 
| Fanazavàna teny frantsay | 
5 terre, sol; pays, nation [1.8] 6 terre, sol, terrain [1.13]  | 
| Voambolana | 7 Haitoetany: (amin' ny ankapobeny) | 
| Mpanahaka | 8 tanimanga, 9 tanimangampoza, 10 taniravo | 
| Kamban-teny rehetra | 11Fikambanana 281 amin' io teny io | 
| Ohabolana | 12 Ohabolana misy io teny io | 
| Teny iditra (2/4) | 13 tany | 
| Singan-teny | 14t~, 15any | 
| Sokajin-teny | 16 ny lasan' ny tambinteny [Fitanisana] | 
| Fanazavàna teny malagasy | 
17 Milaza toerana naleha na nisy ny tena: Tany an-tsena aho aninaraina [1.1] | 
| Ohatra | 
18 na tany aho na tsy tany tsy ho kely be nenina moa hianao? [2.131]  | 
| Kamban-teny rehetra | 19tany an-tendrony | 
| Teny iditra (3/4) | 20 tany | 
| Sokajin-teny | 21 tambinteny [Fitanisana] | 
| Fanazavàna teny malagasy | 
22 Tany fanafohezana ny hoe: "Tahiny": Raha tany mandalo any amin-dry dada ianao, ampamangio azy any aho [1.1] | 
| Teny iditra (4/4) | 23 tany | 
| Sokajin-teny | 24 anarana | 
| Fanazavàna teny malagasy | 
25 [tañy]
 tomany, fitomany, fitomaniana [Bara]
 [1.78] 26 [tañy] ranomaso, tomany [Sihanaka] [1.78] 27 [tañy] tany, fitomaniana [Tanala] [1.78] 28 ilazana ny "tomany", sady fototeny niavian' io teny io rahateo (tamin' ny alalan' ny tsofoka om: / - om / any), saingy tsy fampiasa afa-tsy amin' ny fombam-pitenenana sy ohabolana sasantsasany, toy ny hoe: toran-tany: mitomany mafy ka ohàtra ny torana mihitsy; kalon' antitra ka tany no farany: mazàna no miafara amin' ny tomany ny hirahiran' ny antitra noho ny fibosesehan' ny fahatsiarovana sy ny fihetseham-po tsaroany tamin' ny fiainany lasa [1.1]  | 
| Fanazavàna teny frantsay | 
29 les larmes, les pleurs, les gémissements regret [1.3] 30 [tañy] pleur [Sakalava-Mayotte] [1.405]  | 
| Sampanteny | 
  | 
| Tovy hevitra | 33tañe | 
| Ohabolana | 34 Ohabolana misy io teny io | 
| Fivaditsoratra | 35 anty, 36 ntia, 37 tany | 
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/02 | 
 |