|
|
|
|

Entrée (1/4)1  tany
Partie du discours  2  nom
Explications en malgache  3  [1.1] Antontan-javatra boribory mimaona eny amin' ny habakabaka, onenan' ny olombelona, izay sady mihodinkodina eo am-pitoerana ohatra ny tandrimo mandritra ny indray andro sy indray alina no manodidina ny masoandro mandritra ny dimy amby enimpolo sy telonjato andro: Andriamanitra no nahary ny lanitra sy ny tany, hoy ny baiboly
Vovobovoka mena matroka izay toy ny nofon' io antontan-javatra voalaza etsy ambony ka anirian' ny zavamaniry: Mahavokatra ny fambolena ny tany lonaka
Tanety (mifanohitra amin' ny ranomasina): Intelo ohatra ny tany ny ranomasina
Faritany: Madagasikara dia anisan' ny tany mafana
Saha fananana: Itsy atsimo itsy no taninay, fa ity an-dry Ranaivo
Ny olona miara-mipetraka amin' ny faritany iray: Samy manana ny fomba amam-panaony ny tany rehetra
Explications en anglais  4  [1.7] earth, soil, land; a country, a nation
Explications en français  5  [1.8] terre, sol; pays, nation
6  [1.13] terre, sol, terrain
Tous les mots composés  7  232 mots contenant tany
Vocabulaire  8  Géographie: (en général)
Analogues  9  tanimanga, tanimangampoza, taniravo
Proverbes  10  Proverbes contenant le mot tany

Entrée (2/4)11  tany
Partie du discours  12  adverbe au passé [Liste complète]
Mots élémentaires  13  t~, any
Explications en malgache  14  [1.1] Milaza toerana naleha na nisy ny tena: Tany an-tsena aho aninaraina
Exemples  15  [2.131] na tany aho na tsy tany
tsy ho kely be nenina moa hianao?

Tous les mots composés 

Entrée (3/4)20  tany
Partie du discours  21  adverbe [Liste complète]
Explications en malgache  22  [1.1] Tany fanafohezana ny hoe: "Tahiny": Raha tany mandalo any amin-dry dada ianao, ampamangio azy any aho

Entrée (4/4)23  tany
Partie du discours  24  nom
Explications en malgache  25  [1.78] [tañy] tomany, fitomany, fitomaniana [Bara]
26  [1.78] [tañy] ranomaso, tomany [Sihanaka]
27  [1.78] [tañy] tany, fitomaniana [Tanala]
28  [1.1] ilazana ny "tomany", sady fototeny niavian' io teny io rahateo (tamin' ny alalan' ny tsofoka om: / - om / any), saingy tsy fampiasa afa-tsy amin' ny fombam-pitenenana sy ohabolana sasantsasany, toy ny hoe: toran-tany: mitomany mafy ka ohàtra ny torana mihitsy; kalon' antitra ka tany no farany: mazàna no miafara amin' ny tomany ny hirahiran' ny antitra noho ny fibosesehan' ny fahatsiarovana sy ny fihetseham-po tsaroany tamin' ny fiainany lasa
Explications en français  29  [1.3] les larmes, les pleurs, les gémissements
regret
30  [1.405] [tañy] pleur [Sakalava-Mayotte]
Dérivés 
Verbes passifs :
Synonymes  33  tañe
Proverbes  34  Proverbes contenant le mot tany

Anagrammes  35 anty, 36 ntia, 37 tany

Mis à jour le 2025/09/13