| 1 | Midona ny oran' Ankaratra, Vaky tsipelana ny eny Anjafy.
 Maitso manombana ny eny Andringitra,
 Manjombonjombona Ambohimanoa;
 | 35 | Sy ny mandevina olo-malala (...) Irony vero erý ambony fasana
 Milenodenoka mora malazo.
 Matsoraka mora mipika;
 Rehefa midaboka dia mora lo.
 | 
  | 5 | Maizimaizina toa malahelo Irony rahona eny an-tampon' Imanga;
 Manjombonjombona ny zava-boahary
 Ka tsaroana ireo havan-dasa;
 Fa isika olombelona
 | 40 | Toy izany isika olombelona Fa izany no fomban' ny tany.
 Irony hazo erý an-tsisim-pasana
 Ny tahony, tahon-tsaramanga.
 Ny raviny soa pelapelaka.
 | 
  | 10 | Tsy fo vato fa embona, Ka manembona ireo efa lasa:
 Tsy mihinana voamanadino,
 Fa misotro voamahatsiahy,
 Ka velon-tsento mazàna,
 | 45 | Ny voany voamahatsiahy. Koa tsarovy izay efa voalaza ;
 Mamoiza izay manana ny maty.
 Fa ity tany ity famoiza-malala:
 Ny maty tsy mba miverina,
 | 
  | 15 | Fa mahatsiahy ireo efa nafoy. Mipatrapatraka ny oram-baventy
 Ka mipotrapotraka ny ranomaso,
 Fa ny don' oran' Ankaratra.
 Toa fingadon' Ikaky sy Ineny;
 | 50 | Na miverina aza tadio Ary na hita aza dia nofy!
 Koa mahaiza manonon-tena.
 Ataovy tahaka ny hanin' omby
 Ka sady minià no miraoka.
 | 
  | 20 | Ny kotrok' oran' Ankaratra, Toa feon' ireo efa nafoy
 Ka manaitra ny fo malahelo,
 Izay nisaraka tamin-dranomaso.
 Ny tadio mitambolina raha lohataona
 | 55 | Namoy havan-tiana ve tsy hitomany! Fa toy ny rahona ny ranomaso,
 Ka rehefa mavesatra izy mirotsaka:
 Kanefa andalano ny ranomaso.
 Toy ny hahazan-kitay ny alahelo
 | 
   | 25 | No fiverin' ny ambiroan' ny maty; Fa ny kotroka mingodona ren' ny lavitra
 No fitsidiny raha fahavaratra (...)
 Inona no zava-mangidy?
 Ka ny laingolaingom-paraky:
 | 60 | Ka ahaverezana isaka ny mandanona: Toy ny vary an-tsompitra
 Ka ahafahana tsikelikely isan' andro.
 Fa raha izany no mitotohitra.
 Tsy mahavanon-ko olona no farany.
 | 
   | 30 | Ary inona no zava-mafaitra? Ka ny laingolaingon' amberivatry.
 Kanefa tsy ny laingolaingom-paraky no mangidy.
 Ary tsy ny laingolaingon' amberivatry no mafaitra,
 Fa ny mamoy havan-tiana
 | 65 | Fa maharatsy ny fahoriana. Koa sikino ny saina, onony ny alahelo
 Fa ny ranomaso tsy mahatana aina,
 Ny singambolo tsy mahafehy faty,
 Ny vola tsy mahavidy aina (...)
 |