| Entrée (1/2) | 1 fiadanana | 
| Radical | 2 adana | 
| Partie du discours | 3 nom | 
| Explications en malgache | 4   ankehitriny izy eo amin' ny raharaham-pirenena sy vahoaka dia ampiasain' ny olona hitovy hevitra amin' ny hoe fihavanana na fandriam-pahalemana na ny toetry ny tany sy ny vahoaka mandry feizay : tsy misy fikorontanana na ady ; mizotra milamina tsara ny fiainan' ny vahoaka, satria ny mpitondra dia sady hendry no marina : tsy misy mampahory vahoaka mba hahazoany tombon-tsoa ho an' ny tenany ; izay hahasoa ny ambanilanitra no zava-dehibe imasoany. Ny vahoaka koa, noho izany, dia finaritra, ka mankato an-kafaliana sady tena miara-miasa amin' ny mpitondra. Tamin' ny faha-Andrianampoinimerina indrindra no nampiharihary izany teto : tamin' izay no nisehoan' ny firenenana hoe mandry fahalemana (azo atoriana amim-piadanana na amin' ny alina maizina aza), rahefa voavoriny tsara Imerina Enim-toko. Eo amin' ny fahampian' ny hanina koa no mampiadana ny vahoaka rahefa ny mpitondra no mikarakara azy tanteraka ho an' ny olona, araka ny tenin' Andrianampoina mandrakariva hoe : "Izaho sy ny vary dia iray ihany". [1.10#F.458] | 
| Explications en anglais | 5   slowness, composure, tranquility, happiness, prosperity. [1.2] 6 peace, tranquillity [1.7] | 
| Explications en français | 7   La lenteur, l'aisance, la prospérité, la paix, la cause de la lenteur, etc. [1.3] 8 la lenteur, l'aisance, la prospérité, la paix, la cause de la lenteur, etc. [1.3#2] 9 paix, tranquillité [1.8] | 
| Exemples | 10   Hitondra fiadanana ho anao aho.
[2.499] 11 Fa hisy vokatry ny fiadanana, ny voaloboka hamoa [2.996] 12 Mahasambatra ny fiadananam-po (La paix du coeur rend heureux) [1.3#2>Mahasambatra ny fiadananam-po (La paix du coeur rend heureux)] 13 Vao izao no nahazo fiadanana aho (J'ai maintenant obtenu la prospérité) [1.3#2>Vao izao no nahazo fiadanana aho (J'ai maintenant obtenu la prospérité)] | 
| Tous les mots composés | 14 Fiadanana | 
| Vocabulaire | 15 Emotions | 
| Proverbes | 16 Proverbes contenant ce mot | 
| Entrée (2/2) | 17 Fiadanana | 
| Mots élémentaires | 18 fiadanana | 
| Partie du discours | 19 nom propre (toponyme) [Liste complète] | 
| Vocabulaire | 20 Géographie: agglomérations | 
| Anagrammes | 21 andafiana, 22 fanadiana, 23 fiadanana, Fiadanana | 
| Mis à jour le 2025/10/18 |   |