Entrée | 1 Andranobevava |
Mots élémentaires | 2 rano, 3 be, 4 vava |
Partie du discours | 5 nom propre (toponyme) [Liste complète] |
Explications en malgache |
6 renirano eo afovoan' ny hetrina malalaka, anelanelan' ny rambon-tanin' Amboditsiry sy ny an' Analamahitsy, vakin' ny arabe mianavaratra (Antananarivo-Ambohimanga). Ny lohan' io renirano io dia any akaikin' Andraisoro, mandeha mianavaratra ny anankiray, ary ao Ambodiakondro, mandeha miankandrefana ny anankiray; mihaona eo akaikin' i Nanisana izy roa ireo, ary hatreo ka mandra-pidiny amin' ilay lahindrano eo atsimon' Ivandry, no iantsoana azy ho Andranobevava. -- Tany aloha, raha mbola tsy voaisy fefiloha ity renirano ity, dia nanafotra ny hetrina teo an-daniny roa ny tondraka amin' ny fahavaratra, ka manjary hoatra ny lehibe ny vava-rano; izany no nahatonga ny anarany ho Andranobevava. Ny nampahalaza azy indrindra anefa dia satria io no "rano" naha-avara-drano an' Avaradrano. [1.10#37.2] |
Explications en français |
7 limite sud du territoire d'Avaradrano [3.1] |
Vocabulaire | 8 Géographie: rivières, lacs |
Mis à jour le 2025/09/12 |
![]() |