| Entrée (1/3) | 1 mijanona | 
| Radical | 2 janona | 
| Partie du discours | 3 verbe actif | 
| Explications en malgache | 4   Mitsahatra mandeha, miteny, manao zavatra: Nijanona tamin' ny fito sy fahatelony ny famantaranandroko Mitoetra, mipetraka, maharitra: Aza mijanona ela any an-tsena ~ Nijanona tapa-bolana tany Amborovy izahay Mifarana, tsy mitohy intsony: Nijanona ny ady fa be loatra ny maty tamin' ny ankilany Tapaka, miato: Nijanona hateloana ny orana dia avy indray [1.1] | 
| Explications en anglais | 5   to stop [1.7] | 
| Explications en français | 6   S’arrêter, rester, cesser, être interrompu, suspendu. Nijanona ný famantaranandro lehibe. L’horloge s’est arrêtée. Nijanona tany an-dàlana ny marary. Le malade s’est arrêté, est reste en route. Nahoana no nijanona ela toy izany tany an-tsena ialany ? Pourquoi es-tu resté si longtemps au rçarcné? Nijanona tsy misotro toaka intsony izy. Il a cessé de boire du rhum. Nijanona ny ady, nony maty ny Jeneraly. Le combat cessa, lorsque le général eut été tué. Nijanona io mpiasa io. Cet ouvrier a cessé de travailler, no travaille pas. Mijanona iray volana ny fanaovana ny tranon’ ny govornora. La construction de la maison du gouverneur est interrompue, suspendue endant un mois [1.3#292] 7 s'arrêter [1.8] | 
| Morphologie | 
 | 
| Analogues | 12 miato, mitsahatra, mianona, mianina, mionona, miafitra, mitsatoka, miantsona, mihantona, manahana, mitokana, misento, maka aina, miala janona | 
| Proverbes | 13 Proverbes contenant ce mot | 
| Entrée (2/3) | 14 mijanona | 
| Radical | 15 janona | 
| Partie du discours | 16 adjectif | 
| Explications en malgache | 17   tsy miova eo amin'ny toerana sy ny fotoana iray, tsy mandeha [1.13] | 
| Explications en français | 18   stationnaire; arrêté [1.13] | 
| Entrée (3/3) | 19 mijanòna | 
| Radical | 20 janona | 
| Partie du discours | 21 impératif du verbe actif mijanona [Liste complète] | 
| Explications en malgache | 22   [1.1] | 
| Explications en français | 23   [1.3] | 
| Exemples | 24   mijanòna ianareo, ka mitalanjòna, Tampeno ny masonareo, koa aoka ho jamba ianareo!
[2.996] | 
| Anagrammes | 25 manjonia, 26 mianjona, mianjòna, 27 mijanona, mijanòna | 
| Mis à jour le 2025/10/18 |   |