| Explications en malgache | 4   Mampiseho ny ilany na ny lafiny tsy mbola niseho: Efa nivadika ve ireo lamba mihahy ireo Mifandiso ka ny lafy ratsiny indray no miseho fa tsy ny lafy tsarany: Loza fa nivadika ny akanjonao teny an-dalana
 Manova ny tehezana atao ambany mandry indray: Efa afa-mivadika ny marary
 Miova ho ratsy tsy araka ny nampoizina: Nivadika ny anao taty aoriana ka izaho nanao soc azy indray no nofofoiny. / Nivadika tampoka teo lahy ny andro
 Mitsipaka: Ny mivadika ny teny natao no anisan' ny ratsy indrindra
 Mihohoka ka ny ambony no lasa ambany: Nivadika ny lakana ka saika maty daholo ny mpandeha [1.1]
 
 |